4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. tsara e! - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony,

Ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany. »

(Salamo 100:5)



---------------------------------------------------------------------



A1. Mba lazao ahy, lazao ange!

Izay tadiavinao eto amin’ity tany ity é!

Vola ve? Voninahitra?

Sa ve ireo zavatra hafa manaitra ny fo é!



A2. Ekena anie, misy tokoa

Ireo ‘zay manana izany sy manara-po é!

Mifikitra, tia tena tokoa

Fantany mantsy f’ireny mandalo sy ho lo é!



B1. Henoy aho, ambarako anao

Misy manome mandrakizay

Fifaliana, fiadanana

Dia Ilay nanao izao rehetra izao



NDEHA HISAOTRA AZY ARY ISIKA FA TSARA E!

TENA MENDRIKA HANKALAZAINA NY ANARANY, EIE! EIE!

FATSARA E!

SAOTRA NO MENDRIKA AZY





A3. Sao nefa ianao diso fisaina

Tsy omeny fotsiny izany fa misy takalo

Nefa dia ho gaga ianao

Raha ilazako izay mba takiany atao



B2. Angony hoe, angony avokoa

Ireo toetra ratsy, fitiavan-tena koa

Omeo Azy, afoizo tokoa

Fa hosoloiny Fiadanampo



NDEHA HISAOTRA AZY …

… SAOTRA NO MENDRIKA AZY



C. Raha mandefitra ianao dia tsarovy fa tsara e!

Mahatsiaro mijaly aza indraindray dia tsara e!

Satria mino fa any am-parany any

Mbola hisy fiadanana tsy mety lany



NDEHA HISAOTRA AZY …

… SAOTRA NO MENDRIKA AZY





Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana

2003

Partager vol1. tsara e!

Commenter vol1. tsara e!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite